[Intro]
Mitony ny foko, foana ny feo tsy hiala
[Verse 1]
Ny fitiavako anao tena hafa, manjopiaka madio
Tsy voafafa, ianao no rivotra ato anaty ahy
Nanandrana tsy te hahatsiaro anao, fa tsy nety eh
Tsy tsaroako intsony ireo lasa, fa ny hahasambatra anao no kinasa
Tsy te hierika olon-kafa intsony, hafa ianao
[Pre-Chorus]
Mitoera eo anilako ianao, aza miala, avia ho fihiniko
Fier aho fa manana anao, noho ianao dia nafoiko ny ditrako
[Chorus]
Tiako ianao iny eh, tsy misy hoe ahoana sy ahoana
Tiako izy iny eh, tsy mba mila fanazavana
Tsy maintsy misy mpanaratsy modiantsika fanina tsy atao mahataitra
Fitiavantsika mafy orina ho mamy foana, sanatria mafaitra
[Verse 2]
Faly aho fa indro ianao ilay andry hiankinako oh oh oh
Nipoitra ihany ilay hany malala hitoetra eto anilako oh
Aza asiana ahiahy fa 'za'anie no ampinga hiaro anao
TNy fitiavako anao tena hafa, manjopiaka madio, tsy voafafa
Nanandrana tsy te hahatsiaro anao aho fa tsy nety eh
Tsy tsaroako intsony ireo lasa, fa ny hahasambatra anao no kinasa
Tsy te hierika olon-kafa intsony hafa tsy ianao
[Bridge]
Mitoera eo akaikinao, ny fo no anarany
Tsy hisaraka isika, hatramin’ny farany
[Chorus]
Tiako ianao iny eh, tsy misy hoe ahoana sy ahoana
Tiako izy iny eh, tsy mba mila fanazavana
Tsy maintsy misy mpanaratsy modiantsika fanina tsy atao mahataitra
Fitiavantsika mafy orina ho mamy foana, sanatria mafaitra
[Outro]
Mitoera e, mitoera eo anilako
Ny fitiavako anao tena hafa, manjopiaka madio
Tsy tsaroako intsony ireo lasa, fa ny hahasambatra anao no kinasa
Tsy te hierika olon-kafa intsony hafa tsy ianao
Mitoera e, mitoera eto amiko forever