Hmmmm mmmm!
Lehibe! Ei lehibe!
Toy ny ranomasina aa mivelatra tsy takatra
Tsy takatrin'ny saina , tsy takatrin'ny maso ,
Manonja tsy hay fefena mampitony ny ao anaty.
Lay fitiavana madio tsy lavitra ho vidiana
Tsy hay ho ravaina fa mafy orina ao anaty
Refrain : Ida Ida! Ianao Malala efa mahalala fa ahy ianao Dia ianao koa ahy
Ida Malala a aaa! Aza avela hisy hanadrava na hamotika antsika
Ida Malala ooo ny foko tena tia aza asiana ahiahy
Hiaraha mahalala fa isika efa iray ka tsy voasaraka intsony.
Raha sendra miahiahy
satria ianao lavitra ahy Dia aza mamoy fo
Na sanatria hamorina ao antsaina.
Ny fitiavanao no ilaiko hampilamina saiko
By fahatokisanao no fototrin'ny fahendreko
Ka omeo ahy tsy misy fetra n'y fitiavanao
Dia ho tsapanao fa tena tiako ianao satria rava daholo ireo sakana.
Refrain : Iada ! Ida! Ianao Malala efa mahalala fa ahy ianao Dia ianao koa ahy
Ida Malala a aaa! Aza avela hisy hanadrava na hamotika antsika
Ida Malala ooo ny foko tena tia aza asiana ahiahy
Hiaraha mahalala fa isika efa iray ka tsy voasaraka intsony.