[Intro]
Ry Ziona, mihainoa!
[Verse 1]
Ry Ziona, mihainoa!
Injay feo mafy mampifoha
Ny ampakarina izao.
Mbola alim-be ihany,
Fa ny fotoana no lany,
Ka avy ny malalanao.
Antsoiny hianao,
Alao ny jironao
Ka velomy;
Dia miaingà hivoaka,
Hitsena ny Mpampakatra!
[Chorus]
He, Ziona ravoravo,
Fa reny izao ny antso avo,
Ka velona ny hobiny:
Indro, avy Kristy Tompo.
Hanafaka anay mpanompo,
Halainy hampakariny.
He, faly re ny fo!
Avia, Tompo ô!
[Verse 2]
O, hosana!
Mihaingo izao hitsena Anao,
Ry Kristy, ny malalanao!
[Bridge]
Hira, hoby, fiderana
Asandratray mba hitsenana
Anao, Jesosy Tompo ô!
Tsy mba misy mitomany,
Fa mirana izay mankany
Am-pampakaram-badinao
Mahafinaritra
Ny hiran-danitra!
[Outro]
Haleloia!
Ilaozanay ny trano lay,
Miakatra ny dianay.