(Intro)
Anuel Anuel Dy Yeah yeah......
Omaly ianao toy Zaho ....
Fa Androany.... Tsisy hita izao.....
(Couplet 1)
Omaly niaraka isika roa tao anaty alina
Teny mamy, fa androany lasa mangina
Mbola ao an-tsaiko ny feonao sy ny tsikinao
Fa ianao lasa, tsy nisy veloma akory de saikinao
Niteny ianao hoe ho mandrakizay
Fa lasa ianao tsy niverina indray
Zaho irery miaraka amin’ny fanantainana
Mieritreritra anao foana isan’ora fa zao tapitra ny fotoana
(Pre-Chorus)
Baby lazao, aiza ianao izao?
Ny foko very tsy mahita làlana
Tsy haiko raha hiverina ianao
Fa ny ratra mbola tsy sitrana nambelanao
(Refrain)
Omaly ianao toy Zaho
Androany anao lasa lavitra tsy hita izao
Tiako ianao fa tsy hitako izay atao
Ny foko mitomany isankalina mila anao
Omaly isika iray
Fa androany izany very indray
Zaho mijaly irery eto mbola tsy fay
Mitady anao fa ianao… lasa foko mamay
Naleko tsy tia raha izao no farany
Ny fahatsiarovana lasa mangatsiaka
Mijery sary taloha zaho, mbola mitsiky
Fa ao anatiko feno ratra miafina
Baby miverena, na dia indray mandeha
Fa tsy zatra zaho raha tsy eo ianao fa zaha tsy madainga
Ny alina lava tsy misy hazavana
Fa ianao no jiroko taloha ka toy hazavana
(Pre-Chorus)
Baby lazao, aiza ianao izao?
Ny foko very tsy mahita làlana
Tsy haiko raha hiverina ianao
Fa ny ratra mbola tsy sitrana nambelanao
(Refrain)
Omaly ianao toy Zaho
Androany anao lasa lavitra tsy hita izao
Tiako ianao fa tsy hitako izay atao
Ny foko mitomany isankalina mila anao
Omaly isika iray
Fa androany izany very indray
Zaho mijaly irery eto mbola tsy fay
Mitady anao fa ianao… lasa foko mamay
Yeah yeah Anuel... Anuel Dy
Omaly ianao tia…
Androany lasa fahatsiarovana…
Fitiavana tena izy tsy mora adino…
Veloma