Mba iza ary ianao ry ilay mpandalo
Fa toa kanto loatra ary tena lafatra
Mba iza ary ianao e!tiako ho fantatra
Toa te hahalala anao ny ato anatiko
toa henoko mamerovero ilay fitia
Ny ato anatiko rehefa iny eo ianao
Toa henoko mandoro anaty ao
ilay afom-pitiavana mba te hifangia
Toa satriko ny masontsika hifampitopy
Rehefa iny ianao mangata maso kely
Toa satriko hahita anao eny ho eny
Rehefa iny ianao ilay mba mitsiky
Raha mba fantatrao ny marina mantsy
Fa rehefa eo ianao dia tsy mahateny aho
Ny vatako toa mangovitra avokoa
ka tsy hitako izay ho raisina intsony
Tiako e!tena tiako ho fantatra mihintsy
ny mombanao manontolo rehetra
Hay moa anefa tsy maintsy hisedra
Hisedra indray ilay tsikinao tsy mitsitsy
Tsy hilavo lefona anefa fa tiako ho fantatra
Tiako ho fantatra loatra izay antsainao
Tiako ho fantatra izay anatinao ao
ilay miafina anatinao notakonana
Mba iza ary ianao ry ilay mpandalo
Fa tiako ho fantatrao ny rehetra
izay anatiko tsy misy fetra
Tiako koa raha ho lasanao daholo