---
120 – Raha mila ho ketraka
1.
Raha mila ho ketraka
Hianao,
Eo amin’ny fikatsaham-
Pianana,
Nefa tsy mbola nahita
Hatrizao,
Tianao ve ny handray ny
Lakile,
Lakile, lakilen’ny
Fiainana: Jesosy (bis)
2.
Maniry fiadanana Hianao,
Nefa mavesatra entana
Hatrany,
Mafy ery ny nikarohana
Azy io,
Jereo raha ao aminao ny
Lakile,
Lakile, lakilen’ny
Fiadanana: Jesosy (bis)
3.
Tianao ve ny ho voavela
Heloka?
Kanjo tsy azonao antoka
Izany hatrizao,
Nefa izany no hetahetam-
Ponao?
Ataovy izay ananananao ny
Lakile,
Lakile, lakilen’ny
Famelana: Jesosy (bis)
4.
Nitady fitiavana hianao,
Nefa tsy nahatsapa izany
Hatrizao,
Toy ny tsy fantatra ny
Fisianao,
Ry sakaiza, ataovy izay
Ananananao ny
Lakile,
Lakile, lakilen’ny
Fitiavana: Jesosy (bis)
5.
Raha mba te hifaly iny
Hianao,
D’indro tapaka tampoka
Teo,
Atoroko anao ny SECRET,
Tianao ary ve ny handray ny
Lakile,
Lakile, lakilen’ny
Fifaliana: Jesosy (bis)
6.
Fifaliana, Fiadanana,
Famelana, Fitiavana:
“Jesosy”
Lakile, lakilen’ny tena
Fahasambarana: Jesosy (bis)