Faly izahay fa manana Anao
Niantso anay mba hanompo
Hamafy sy hizara ny tsara koa
Efa ho telopolo taona izao
Misaotra re ry Tompo
Teo foana ianao, hatramin'izao
Mbola tokinay mandrakizay
Fantatray fa tsy mandao ianao
Misy ireo mila Anao Jesoa
Mila ny fampaherezanao
Fa izahay dia manolo tanana
Hanome ny malahelo koa
Misaotra re ry Tompo
Teo foana ianao, hatramin'izao
Mbola tokinay mandrakizay
Fantatray fa tsy mandao ianao
Sambatra ny fiangonana Jesoa
Mahay miara-dalana
Fa ianao no mahatonga anay
Haharitra amin'ny fahamarinana
Misaotra re ry Tompo
Teo foana ianao, hatramin'izao
Mbola tokinay mandrakizay
Fantatray fa tsy mandao ianao