VALIHA – Aina no Fetra
Couplet 1
Niaraka izahay nianatra,
Nizara nofy sy fanantenana.
Na sedra maro aza no nodiavina,
Tsy nisy nahafoy ny dia.
Ao Akamasoa no niandohana,
Nianatra ny hasin'ny fanompoana.
Mpianatra infirmiera sy mampivelona,
Vonona hiaro ny aina mandrakizay.
Refrain
VALIHA! VALIHA!
Voadiko sy Andraikitro,
Laharam-pahamehana Ilofosako ny Hiaro ny Aina.
Aina no fetra! Aina no fetra!
Izay no voady entinay.
Na aiza na aiza halehanay,
Ny aina no hasandratray.
Couplet 2
Fitiavana no fitaovam-piadiana,
Fahalalana no hery entinay.
Ny marary sy ny marefo rehetra,
Hotsaboina amim-pitiavana.
Ny voady tsy hohadinoina,
Na hiova aza ny fotoana.
Fa ny fanahy nanefy anay,
Hitondra anay mandritra ny fiainana.
Pont
Isaorana anie i Père Pedro,
Ray nanome fanantenana.
Isaorana ireo mpampianatra,
Sy ireo rehetra nanohana anay.
Akamasoa no reharehanay,
Hitondra ny anarany izahay.
Hanompo amim-pahendrena sy fo madio,
Ho voninahitr'Andriamanitra mandrakizay.
Refrain farany
VALIHA! VALIHA!
Voadiko sy Andraikitro,
Laharam-pahamehana Ilofosako ny Hiaro ny Aina!
Aina no aloha! Aina no aloha!
Io no hiranay, io no voadinay.
Na aiza no hanendren'ny fiainana anay,
VALIHA mandrakizay!