[Verse 1]
Famaritako ny fitiavana sy fahasambarana
Ilay mahita tsikinao mitsena eny ambaravarana
M'badabada
Miantsoantso hoe DADA! DADA!
Ilay saika efa aman-taona,
Heverinao hoe zazazaza
[Chorus]
DADA, DADA, fo mivavaka aminao
Zazako, ny fitiavako tsy ho levona
Izay ataonao mba hampahery ahy mandrakizay
[Verse 2]
Mivezivezy aho,
Teo amin'ny lalantsaran'ny hopitaly
Tsy mahatombon-tsiraka,
Nanontany hoe aiza ihany
Dia injay ianao fa tamy
Nivatsy hery ho ahy
Tovozina tsy mety lany fa mamy
Ataoko an-kira izy androany,
Na ho hendry na ho adala
Aminao foko zanako,
tsy mba mahay mankahala
Nitady vatosoa Aho,
Fa toa nahazo diamondra
Ny ampahory tsy hiriko
na dia iray segondra monja
Fa indray andro ianao ho reny,
hahatsapa sady hahazo
hoe Zaza refa tiana tsy hitsitsina rotsankazo
Nofihininao ny tanako, ranomasoko tsy tanako
Ntsôoo, avia trotroiko izany zanako
[Chorus]
DADA, DADA, fo mivavaka aminao
Zazako, ny fitiavako tsy ho levona
Izay ataonao mba hampahery ahy mandrakizay
[Outro]
Dia ampahatsiahivo dada raha somary varindriana
F'efa leo nilomano tanaty dobom-pahoriana
Lasa ratra tao am-poko ireo lasa