tsiky malefaka
fijerinao ankamantatra
tsapako erim-baratra
indrom-pitiavana
tsy misy teny re
ny foko midobodoboka
tanako iray mangovitra
resin-tahotra aho
ny ao anatinao
mba tiako ho fantatra
ndrao mitovy tampoka
tonga lafatra
ny ahy tsy miafina
mba tia fa miahotra
mila ampianao tosika
fa leo ny an-kiafina