Tompo malala ô jereo ny nosinay
Fa mangetaheta ny fisian'io
Midina , miasa aminay
Fa mijaly re ty nosinay
Mafy tena mafy
Ny zavatra hiainanay
Tsy kivy na ketraka izany (fa manana anao)
Na manomboka kely aza
Matoky aho fa manana anao
Tompo ô ity ny nosinay
Mila ny fisianao
Miasà aminay
Fa mijaly re ity nosinay
(Raha misy zavatra manjo anao mifikira amin'ny Jehovah
Fa tsy anenenanao ny fanantonanao azy
Mifikira amin'ny Jehovah fa izy ts hanary anao
Fa izy no afaka hamonjy )
Mafy tena mafy
Ny zavatra hiainanay
Tsy kivy na ketraka izany (fa manana anao)
Na manomboka kely aza
Matoky aho fa manana anao