Couplet 1 :
Tamin’ilay andro voalohany nihaonantsika
Ny foko efa lasa tsy nahafehy tena
Ny masonao mamiratra ohatra volana
Ka zah very saina raha mijery anao io
Anao tsiky mampilendalenda
Feonao mamy mampatory alahelo
Na lavitra aza ianao anie
Ny fitiavako mbola mitombo foana eeh
Pré-refrain :
Na ho avy ny ady sy ny olana
Tsy havelako irery ianao
Satria ianao no ain’ny foko
Tsy misy hafa tahaka anao
Refrain :
No limitee… no limitee…
Ny fitiavako anao tsy misy farany eeh
No limitee… no limitee…
Na andro ratsy mbola hifikitra aminao zah ehh
Baby ianao no jiro mamelona fiainagna
Anao tiako mihoatra volamena
Na ho antitra miaraka aminao zah
No limite… amin’ny fitiavagna anao
Couplet 2 :
Isan’alina zah miantso anaragnao
Anaty nofy mbola ianao foana
Na maro olo mandalo eto an-tany
Anao irery tafiditra ato am-poko
Aza matahotra raha misy tadio
Hazoniko mafy ny tanagnao
Satria love antsika tsy kilalao
Fa efa voasoratra any ambony ao
Pont :
Yeee ehh…
Ataoko vadiko ianao rahatrizay
Hiaraka mandra-pahatapitry ny aina
Tsy misy limite ny love-ko anao baby
Refrain final :
No limitee… no limitee…
Ny fitiavako anao tsy mety lefy eeh
No limitee… no limitee…
Na inona hitranga tsy hahafoy anao zah ehh
Outro :
Avaratra vibe ehh…
Betsimisaraka love ehh…
Tsy misy limite…
Amin’ny fitiavagna anao…