Diso teo anatrehanao
Izahay mpanomponao
Nivarilavo toy izao tontolo izao
Tsy mendrika ho anao
(Tsy mendrika ny atao hoe zanakao
Satria nandà anao teo imasonao
Diso tena diso izahay
Mifona aminao)
Ry Ray be fitiavana
Misaotra anao izahay
Fa noraisinao ity zanakao
Misaotra anao
(Tsy mendrika ny atao hoe zanakao
Satria nandà anao teo imasonao
Diso tena diso izahay
Mifona aminao)
(Tsy mendrika ny atao hoe zanakao
Satria nandà anao teo imasonao
Diso tena diso izahay
Mifona aminao)