Zavona arahana herika vao maraina,raha ny sitrako ve hoy aho tsy aleo ny tany sy lanitra hijanona am'zao.
Tsara n'y hazavana hentin'ny masoandro ,fa tiako koa raha indro ny rahona manakona azy
Arahana tafio-drivotra mangatsiaka sy herika.
Hazavana hono mira fahamarinana,Raha Tia mihaina anaty aizina izany vé dia ratsy.Fotsy mainty aleoko mijanona eo anelanelany maka loko volondavenona hany loko manambara ny olombelona sady tsy anjely no tsy devoly fa tena olombelona tsy mihezaka no ho zavatra hafa, ka aleoko indray aloha Manainga fanahy toa mampanembona ny lasa,n'y ankehitriny Ary n'y ho avy. Lasa ihany ny saiko iza tokoa moa n'y olona , aiza tokoa moa n'y sehatra misy any olona eo anatrehan'izao tontolo izao.izy vé ny lohany amin'ny zavatra rehetra sa hany an'isany zavatra faran'izay bitika indraindray eo anatrehan'izao tontolo. N'y azo atao aloha dia mihaina ny ankehitriny kanefa indrisy toa andevozin'vola daholo n'y olona rehetra inona ?
Inona tokoa moa no atao eo ambon'ny tany Raha tsy hihaina .Samy eto isika fa vitsy n'y mihaina fa variana mitady vola. Dia averiko eto ny fanontaniana hoe Iza tokoa moa ianao ry vola .olona ihany mantsy no zava manan'aina mila anao Raha hihaina eto amin'ity tany ity. Ka tiako raha takona ilay masoandro mibaliaka takona rivotra arahin'dravona aman'herika satria amiko izay no tena manambara ny olombelona , olombelona mihaina anaty zavona tsy manampahataperana