Mifona re ry Ray
Ireto zanakao
Fa diso izahay
Tsy mety ny natao.
Fiverenana
Tompo o !
Vonjeo 'zahay.
2.
Ny ota sesilany
Nandramana avokoa
Kanefa re izany
Ifonana tokoa.
Fiverenana
3.
Izay rehetra hita
Natao fa tsy ho lo
Izao ny ratsy vita
Mandrotika ny fo.
Fiverenana
4.
Ry Jeso o ! anio
Indreto izahay
Manaiky ka fidio
Ho zanakao ry Ray.
Fiverenana
5.
Tsy tsapanay tokoa
Ny antsonao ry Ray
Fa hay ny zava-tsoa
Dia takona aminay.
Fiverenana
6.
Maniry fahafahana
Izao 'ty fo madio
Ekeo ny fibebahana
Atolotray anio.
Fiverenana