[Intro]
[Verse 1]
Izaho nentina nanatrika
Ny Tompo sy ny fiangonana;
Ny ray sy reny no niantoka
Hitaiza sy hitari-dalana
Io ô Zagnahary io ô(in-3)
Hitaiza sy hitari-dalana.
[Chorus]
Ho zanaky ny Tompo lehibe
Io ô Zagnahary io ô(in-3)
Ho zanaky ny Tompo lehibe.
[Verse 2]
Ka faly aho, fa noraisina
Natao batisa mbola zaza re
Nanaovam-panekena masina
Ho zanaky ny Tompo lehibe
Io ô Zagnahary io ô(in-3)
Ho zanaky ny Tompo lehibe.
[Chorus]
Ho zanaky ny Tompo lehibe
Io ô Zagnahary io ô(in-3)
Ho zanaky ny Tompo lehibe.
[Bridge]
Ampio aho Zagnahary ô!
Hanaraka ny eny masigny e
Izay nataoko taminao ry To
Ka tsy mba hisy fivadihana
Io ô Zagnahary io ô(in-3)
Ka tsy mba hisy fivadihana
[Verse 3]
Ry Tompoko,Izay manomboka
Ny asa tsara ao anatiko
Arovy aho ho tanteraka
Mba tsy ho faty ny finoako
Io ô Zagnahary io ô(in-3)
Mba tsy ho faty ny finoako.
[Outro]
Io ô Zagnahary io ô(in-3)
Mba tsy ho faty ny finoako.