[Verse 1]
Ny farimpiainako efa kobonao hatrany ampiandohana
Fa anaty ny haizinkitroka aho no miandrandra fahazavana
Tsy manana antenaina fa isan'andro miady mafy
Ho toy ny renin-tantely hamela mamy hoan'ny zafiafy
Ka andao raha vonok'iafy, isika hamaky lalan-tsarotra
Tsy ho lohataona lava fa indraindray mba andro maloka
[Chorus]
Tsy izay tianao ho heno, no ambarako anio
Fa ny fihetsiko milaza ny ampoko madio
Ka fafao, fafao, fafao
Ny ahiahy mampahory anao
[Verse 2]
Raha ho avy ny andro, tsika ho somparan'ny elanelana
Homenao olo-kafa ve sa hiandry anah ilay toerana?
Raha hisy hanondro molotra aho ka voarohirohy
Moa ve tapitra hatreo ny antsika sa mbola hitohy?
[Chorus]
Tsy izay tianao ho heno, no ambarako anio
Fa ny fihetsiko milaza ny ampoko madio
Ka fafao, fafao, fafao
Ny ahiahy mampahory anao
[Bridge]
Hanati-bary ianao sa hamela anah tsy hanjary?
Sa hampionon-tena fa hoe izay tokoa ilay tsy anjara?
Kofboay ny tena mety ho dizina indraindray
Mety hiteniteny maloto, mety hanao kozy masay
Hoentikenti-po hanao fihetsika tsy voahevitra
Tsy maniry loza, fa vonona ve ianao ny handefitra?
[Chorus]
Tsy izay tianao ho heno, no ambarako anio
Fa ny fihetsiko milaza ny ampoko madio
Ka fafao, fafao, fafao
Ny ahiahy mampahory anao