ARAHO ASA♥️
Te hahavita zavatra fa malaina hiasa
Ny fahatontosany ve mety azo antenaina?
Ny tsy azo hadinoina indrindra raha mikasa
Andriamanitra fihanta fa fahotana ny hakamoana
Te ho lasa lavitra fa tsy mandeha miroso
Ny fahatodiany ve mety ho tanteraka?
Ny tsy azo hadinoina mba tsy hananana hevi-diso
Andriamanitra mitondra f'ianao mila manaraka
Te hahazo fahasitranana fa tsy mety tsaboina
Ny aretina ihany koa ve mba azo hampifilaina?
Ny tsy azo hadinoina mety azo atao 'zay tiana
Fa ny fahasalamana miankina aman'aina
Mpino Kristiana saingy tsy mivavaka
Iza no Andriamanitra Tompoina sy ao anaty?
Ny tsy azo hadinoina raha momba 'zay no resaka
Ny finoana ampiaino dia ARAHO ASA fa maty