[Intro]
Na dia mideza aza ny lalana
[Verse 1]
Ianao no efa andry iankinana sy hitarika ahy
Ka tsy ho very na dia maro ireo sampanana
Fa ianao no efa nanome toky aza manahy
Tsy ho rava na hisy orana sy rivo- mahery
Satria fitia an-tsitrapo fa tsy an-tery
Foko ho anao ny ahy efa anao irery
Ho tia anao ho doria aho tsy handao velively.
[Chorus]
Tiako raha ianao no hanaiyra ahy isaky ny maraina
Tsy mila reveil aho fa ianao efa eo
Raha ianao no mila ahy aho tsy mba malaina
Tsy ho hisy andro haniry anao ho leo
[Verse 2]
Mamiko foana na somary miady indraindray
Fa tsy mifakafoy na eo aza ireny rahona ireny
Tsy ho rava fa hajoro ho fitia mandrakizay
Fa nifanaiky ho ianao dada dia izaho ho reny
[Chorus]
Tiako raha ianao no hanaiyra ahy isaky ny maraina
Tsy mila reveil aho fa ianao efa eo
Raha ianao no mila ahy aho tsy mba malaina
Tsy ho hisy andro haniry anao ho leo
[Bridge]
Maneho fo mivonona, manohy miaina miaraka
Ny fitiavana dia hafa tanteraka
[Chorus]
Tiako raha ianao no hanaiyra ahy isaky ny maraina
Tsy mila reveil aho fa ianao efa eo
Raha ianao no mila ahy aho tsy mba malaina
Tsy ho hisy andro haniry anao ho leo
[Outro]
Ho fiarovana sy fitiavana mandrakizay
Izaho ary ianao, dada sy reny, tsy hisaraka