Hainao mihintsy ilay nisarika ahy
Zaho zatra nandalo fa taminao aho taraiky
Hainao mihintsy ilay nambabo ahy
Zaho zatra mandà fa taminao aho nanaiky
Fa hainao koa ilay namitaaka ahy
Maratra ilay foko kely mbola tia
Ankehitriny hainao ny mitsipaka ahy
Ianao nanaraka azy any
Nefa zaho mbola aty
Mbola aty, mbola aty
Nefa zah mbola tia
Mbola tia, mbola tia
Fa raha azo atao, mba miverena ianao
Fa tsy haiko ny hitady vaovao
Hafa hasoloko anao, hamafa ny vitanao
Tsy quoi f'izay tianao no atao
Fa mandra-piandry de...
Hifoka aho, hifoka aho, hanadinoako ny olako
Hisotro aho, hisotro aho, dia ny revy no atorako
Hiloka aho, hiloka fa tsy tiko raha hoe mosoara sy fanafody no handaniako ny volako
Hifoka aho, hifoka aho, hanadinoako ny olako
Hisotro aho, hisotro aho, dia ny revy no atorako
Hiloka aho, hiloka fa tsy tiko raha hoe mosoara sy fanafody no handaniako ny volako
Hainao mantsy ilay nandratra ahy
Nanokafanao fery ny any anatiko any
F'ireo tambitamby izay nahazatra ahy
No tsaroako indraindray ka mandratsa-tomany
Fa hainao mantsy 'lay nanamarika ahy
'zao tsy foiko ho fafaina ireo lasantsika
Ankehitriny hainao ny nisitaka ahy
Nofy ihany ilay zaho sy ianao lasa tsika
Lasa tsika, laasa tsika
Afa-ts'ilay lasantsika
Lasantsika, lasantsika