1 Jeso sakaizanay,
Jeso anay,
Sady tsy mahafoy,
Jeso anay,
Raha ny olona,
Mety mandao anay,
Jeso no tsy mandao,
Jeso anay.
2 Jeso sakaizanay,
Jeso anay,
Izy no Avotray,
Jeso anay,
Maty ny Tomponay,
Noho ny helokay,
Afaka izahay,
Jeso anay.
3 Jeso sakaizanay,
Jeso anay,
Izy no Aronay,
Jeso anay,
Reraka izahay,
Noho ny adinay,
Jeso no herinay,
Jeso anay.
4 Jeso sakaizanay,
Jeso anay,
Izy no Làlanay,
Jeso anay,
Làlana marina,
Hahatongavanay,
Any an-danitra,
Jeso anay.
5 Jeso sakaizanay,
Jeso anay,
Manana izahay,
Jeso anay,
Jeso sakaizanay,
No hovantaninay,
Any an-danitra,
Jeso anay.