[Intro]
Andriananahary masina indrindra!
[Verse 1]
Andriananahary masina indrindra
Ny anjelinao izay mitoetra Aminao
Mifamaly hoe : Masina indrindra
Andriananahary, Telo Izay Iray
[Chorus]
Masina indrindra, Masina indrindra
Hianao irery, Zakako miankohoka
Andriananahary, Telo Izay Iray
[Verse 2]
Na tsy hita aza izao ny voninahitrao
Masina indrindra Hianao irery
Andriananahary, Telo Izay Iray
[Chorus]
Masina indrindra, Masina indrindra
Hianao irery, Zakako miankohoka
Andriananahary, Telo Izay Iray
[Bridge]
Zava-manana aina samy mankalaza
Sady manambara Anao Izay Tompony izao
Hianao irery no mitahy azy
Andriananahary, Telo Izay Iray
[Verse 3]
Andriananahary feno hatsarana
He ny fitahianao izay mpanomponao
Tsara dia tsara ny omenao azy
Andriananahary, Telo Izay Iray
[Chorus]
Masina indrindra, Masina indrindra
Hianao irery, Zakako miankohoka
Andriananahary, Telo Izay Iray
[Outro]
Izahay mpanomponao ta-hankalaza Anao
Feno fahendrena, feno fiantrana
Andriananahary, Telo Izay Iray