[Verse 1]
Jesosy ô, Ianao no niaro ahy
Tamin’ny fandriky ny Satana.
Jesosy ô, Ianao namonjy ahy
Tamin’ny fitaky ny ratsy.
[Chorus]
Ny tananao mahery
No nihazonanao ahy,
Ny sandrinao mahagaga
No hianteherako.
[Verse 2]
Ny Teninao no jiro
Manazava ny lalako
Ny herinao ry Tompo
No heriko sy tokiko
[Chorus]
Ny tananao mahery
No nihazonanao ahy,
Ny sandrinao mahagaga
No hianteherako.
[Verse 3]
Ka na inona hitranga
Dia tsy hiala Aminao aho
Fa ny fiainako manontolo
Dia eo am-pelatananao
[Chorus]
Ny tananao mahery
No nihazonanao ahy,
Ny sandrinao mahagaga
No hianteherako.
[Outro]
Ao am-pelatananao foana