Sambatra izay mahitsy lalana, izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah.
Sambatra izay mitandrina ny teniny, izay mitady Azy amin’ny fo manontolo;
Izay tsy manao ratsy, fa mandeha amin’ny lalany.
Ianao no nandidy ny didinao mba hotandremana tsara.
Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako hitandrina ny didinao!
Dia tsy ho menatra aho, raha mandinika ny didinao rehetra.