[Verse 1]
Tompo mpanjaka malaza
Ianao no herinay
Masoandro amin’ny maraina
Fialofana amin’ny alina
Tompo mpanjaka anay
Fahazavana amn'ny fiainanay
Manohana ahy raha reraka
Mampitraka loha mitanondrika
[Chorus]
Tompo mpanjaka malaza
Tompo mpanjaka anay
Ianao no mahery indrindra
Tsara indrindra
Ô Ray
Ianao no haronay
Ianao no fiarovanay
Tompo mpanjaka malaza
Tompo mpanjaka anay
[Verse 2]
Rehefa tondraka ny ranomaso
Ianao no mandray anay
Rehefa mirohondrohona ny tafio-drivotra
Teny indray no mampangina
Tompo mpanjaka mahery
Tsy mba miova izy
Anio
Rahampitso
Mandrakizay
Mitantana anay amin-kira
[Chorus]
Tompo mpanjaka malaza
Tompo mpanjaka anay
Ianao no mahery indrindra
Tsara indrindra
Ô Ray
Ianao no haronay
Ianao no fiarovanay
Tompo mpanjaka malaza
Tompo mpanjaka anay