Efa hela Raiko no niana tao anatiny fahotana
Ny ota izay rehetra vitako hifonako izany
Na fitsapana na koà fisedrana nampandalovinao ahy
Tsy hamerina intsony ireo adalana fa hanao ny asanao
Na iza tsy tia na iza hankahala fa ataoko ampy izay
Fa hanompo an'i Jehovah aho ho mandrakizay fa avelako ny taloha ny taloha
(Aaaaaaaaa) Fa ny tiako rehetra Jesoa re mba havelao
(Aaaaaaaaa) Diovy madio daholo izahay zanakao
(Aaaaaaaaa) Ho sambatra handova ny fanjakanao (Ouuuuuuuuu)
Ny olona rehetra mijaly reo mba hampaherezo
Tarihio ity Madagasikara ity mba hanompo anao
Tsy nisalasala aho tonga dia nanaiky ny hiaradalana aminao
F'ianao Jesoa Kristy lalana fiainana fahamarinana
Izany indrindra no antony hiderako ny anaranao