Matoky aho fa eo ianao ! N'ninona hiseo fa tsy handao
Lay foko jamba tsy te hahalala te hitabataba hoe ianao lay malala
Ka ho dradradradraiko ho rentany fa ianao de ho ahy irery ihany
Tsy maninona izany fa porofon'ny fitiavako efa mafy aminao.
Ka aza gaga Raha toa tomany aho fa feno n'y foko ka hitantara aho
Atramin'izay ka tsy hifarana ilay tantara iombonako aminao
Ida Malala a! Ianao mahalala fa tena tia aho
Ka aza avelao aho f'efa anao ka fihino mafy tsy hisy harombaka
Fa ny foko ao efa mihidy mafy tsy voasoakatr'olonkafa f'efa anao
Kaza manahy fa eto na any lavitra de tsy handao