1-Ianao ry Tompo no deraina izao
Fa be fitia,sady niara-dia
Ka feno 30 taona nanompoana
Niasa ho anao, efa nofidianao
Eny ry Tompo, notantanao izahay
Ka afaka namafy sy nanome
Tariho ho toy izany ny fiangonanao ry Ray
Ho marina ka haharitra mandrakizay
Ho voninahitrao
2-Ianao ry Tompo no isaorana
Na maro aza, ny fisedrana
Tsy namely anay irery fa nanohana
Na ny sarotra, sy ny mora atao
Eny ry Tompo, notantanao izahay
Ka afaka namafy sy nanome
Tariho ho toy izany ny fiangonanao ry Ray
Ho marina ka haharitra mandrakizay
Ho voninahitrao
3-Miankina aminao Tompo, eny tokoa
Ny hoavinay, mandrakizay
Ny antsonao hatrany no tsaroana
Ho tohizana, satria mpanomponao
Eny ry Tompo, notantanao izahay
Ka afaka namafy sy nanome
Tariho ho toy izany ny fiangonanao ry Ray
Ho marina ka haharitra mandrakizay
Ho voninahitrao
Ka tariho izahay