Aleoko omena tsiny ny lahatra
Noho izy nampisaraka ny lalantsika
Ka tsy hahita anao intsony zah
Rehefa mifoha zah
Tsy tiako homena tsiny ny vintako ratsy
Satria nataoko foana izay vitako
Fa aleoko mamitaka ny tenako
Fony mbola tsara sy miloko mavokely ny zava-drehetra
Fa izao efa niova ho zavatra hafa
Satria tsy te hijaly intsony zah
Fantatrao tsara fa mety tsy hahita ahy intsony ianao
Ary izao fantatro fa fantatrao
Fa izay rehetra tsapako dia tsapanao koa
Ary ankehitriny rehefa fantatrao izany
Fantatro izao fa fantatrao
Fa izay tsapako dia tsapanao koa
Na dia maniry olona hafa aza Zah
Tsy afaka milaza izany zah
Ary satria tsy toy izany ny fiainako
Dia miankina amin’ny zavatra maro zah
Lasa mandeha ny fotoana
Ary tsy hiverina intsony izany (uah)
Ary tsy afaka hitomany intsony zah
Lasa mandeha ny fotoana
Ary izay olona taloha
Tsy hiverina ho toy ny teo intsony
Farany dia samy nahatakatra isika
Fa tsy tianao intsony zah
Ary izaho koa tsy tia anao intsony
Ity tontolo ity toa adala
Satria aleon’ny olona fo torotoro
Toy izay mifankatia
Ary hoy foana ny reniko tamiko
Fa tsy izaho no very anao
Fa ianao no very zah
Ny fitiavana dia toy ny vazivazy
Tsy tokony nanomboka akory
Noho izay nataonao
Ary tampoka teo
Miditra ao an-tsaiko ianao
Mifehy zah
Fa tsy liana intsony zah
Satria potika toy ny puzzle vaky ianao
Ah...
Tsy liana intsony Zah
Satria potika toy ny puzzle vaky ianao
Ny fanaintainana tsapako
Dia tsapanao koa
Ary fantatro izao fa fantatrao izany
Fa mbola tsapako ihany izany
Fantatrao izao
Fa ilay fanaintainana tsapako
Dia tsapanao mafy koa
Ary ankehitriny
Ilay fanaintainana tsapako
Dia tsapanao mafy loatra koa.