Tsy hitako intsony izay tena marina
Fo mangina fa ny eritreritro misava
Alina lava, jiro maty an-dalana
Fa mbola mitady hazavana ato anatiko ao
Pre-Chorus :
Ary raha handeha ianao
Aza mijery aoriana intsony
Fa izaho mbola very
Anaty fahatsiarovana ihany
Chorus :
Fa maninona ianao no niova tampoka
Navelanao irery aho amin’ny aloka
Ny fitiavanao lasa toy ny setroka
Tonga dia levona rehefa mila anao aho
Verse 2 :
Mbola reko ilay feonao isan’alina
Mampatory ahy nefa mandratra fo ihany
Ny ranomaso afeniko anaty tsiky
Fa ao anatiko ao mbola misy ady tsy mety tapitra
Bridge :
Izaho tsy gangster, tsy hoe mahery
Fa reraka miady amin’ny fiainana irery
Te hiala lavitra fa tsy mahita lalana
Ka soratako anaty hira ny ratrako rehetra…