Ilay kely trop nampisakafo saina
Miresaka solo anaty haingon'alina
Tato anaty zik izy no nahita fitoniana
Pensant fa io no hanova ny fijaliany
Ny herin-tsandry ihany no itokisany
Satria izay ihany no gratuit eto an-tany
Tsy kivy mihitsy iza na dia misy ennuis
Mijoro hatrany fa tsy resy vis-à-vis
Efa fatany fa izay mibebe lava
Tsy voatery ho mpanome ny marina eo am-bava
Tsy ny bonté no hanampy anao hifindra
Raha te-hivoaka amin'ity vie de chien ity enao ho rindra
Efa trop galéré lotra ny bandy
Ka tsy avelany ho sombrer ny art eo an-tanany
Na dia mbola à terre aza izy tamin'izany
Mbola nanampy an'ilay akama voa latsaka tany