Nandinika ny lasa injay aho,
Nandinika ny tokony hatao
Fitiavana foana hatsizay,
Nodiako tsy jerena fa nanjatra fo
Ampy izay ireo hadalana
Nandefitsa aho taloha
Fa misy ny andro sarotsa ialàna
Ka tonga izao ilay ora itenenako
Ny adidy maro anefa mianjy eny ihany
Mbola lavitsa ny làlako izany
Hiezaka hanadino anao, hiezaka hanadino anao aho
Hiezaka hanadino anao na ho mafy na ho mora
Hiezaka hanadino anao aho, hiezaka hanadino anao
Hiezaka hanadino anao na dia vetivety monja
Fa mampaninona moa
Ekeko fa làlana iray
Nodiavintsika teo aloha
Fa tojo ilay sampanana injay izao
Voatery ny olona iray hizara roa
Tapitra teo ny hadalana
Niarahana natao
Fa any anjo hifankahitana
Mba samy ho olon-kenjy izaho sy ianao
Ny adidy maro anefa mianjy eny foana
Mety misy ny anjo mbola hihaona
Hiezaka hanadino anao, hiezaka hanadino anao aho
Hiezaka hanadino anao na ho mafy na ho mora
Hiezaka hanadino anao aho, hiezaka hanadino anao
Hiezaka hanadino anao na dia vetivety monja
Fa mampaninona moa
Hiezaka hanadino anao, hiezaka hanadino anao aho
Hiezaka hanadino anao na ho mafy na ho mora
Fa amin'izao fotoana izao, hiezaka hanadino anao aho
Hiezaka hanadino anao n'isan'andro n'isan'ora
Hatreo ny antsika roa