[Verse 1]
Ny farimpiainako efa kobonao hatrany ampiandohana
Fa anaty ny haizinkitroka aho no miandrandra fahazavana
Tsy manana antenaina fa isan'andro miady mafy
Ho toy ny renin-tantely hamela mamy hoan ny zafiafy
Ka andao raha vono-kiafy ,isika hamaky lalan-tsarotra
Tsy ho lohataona lava fa indraindray mba andro maloka
Raha ho avy ny andro ,tsika ho somparan'ny elanelana
Homenao olo-kafa ve sa hiandry anah ilay toerana ?
Raha hisy hanondro molotra aho ka voarohirohy
Moa ve tapitra hatreo ny antsika sa mbola hitohy ?
Hanati-bary ianao sa hamela anah tsy hanjary ?
Sa hampionon-tena fa hoe izay tokoa ilay tsy anjara ?
Kofboay ny tena mety ho dizina indraindray
Mety hiteniteny maloto ,mety hanao kozy masay .
Hoentikenti-po hanao fihetsika tsy voahevitra .
Tsy maniry loza ,fa vonona ve ianao ny handefitra ?
[Chorus]
Tsy izay tianao ho heno ,no ambarako anio
Fa ny fihetsiko milaza ny ampoko madio
Ka fafao ,fafao , fafao
Ny ahiahy mampahory anao .
[Verse 2]
Raha ho avy ny andro ho foana ts
Tsy izay tianao ho heno ,no ambarako anio
Fa ny fihetsiko milaza ny ampoko madio
Ka fafao ,fafao , fafao
Ny ahiahy mampahory anao .
[Bridge]
Mbola tsy voatery hirotsaka amin’ny loza
Fa ny foko miaro anao hatrany
Raha miova ny fandeha dia ho vita izay tsarovanao
Ny mazava aza mba hanapaka ny alina
[Chorus]
Tsy izay tianao ho heno ,no ambarako anio
Fa ny fihetsiko milaza ny ampoko madio
Ka fafao ,fafao , fafao
Ny ahiahy mampahory anao .
[Outro]
Raha ho avy ny andro ho foana ts
Ny fotoana dia hanavotra ny fotoana
Ka hiseho indray ny mazava
Amin’ny fitiavana voadio.