Tiako hatramin’ny aina izy
Izaho taloha tsy nisy zava-dehibe loatra
Fa ankehitriny kosa
Izaho no mpiambina
Ny torimasony amin’ny alina
Tiako hatramin’ny aina izy
Afaka potehinareo
Izay rehetra tianareo potehina
Fa izy rehefa mamelatra
Ny sandriny amiko
Dia hainy averina indray ny zava-drehetra
Eny, averiny ho tsara indray
Tiako hatramin’ny aina izy
Nofafany ny isa rehetra
Tamin’ny famantaranandro
Ary novainy ny fiainako
Ho feno nofy sy hafaliana
Tiako hatramin’ny aina izy
Nanorina tetezana izy
Teo anelanelan’ny lanitra sy ny tany
Ary mandalo eo aho
Isaky ny tsy te hatory izy
Isaky ny mila ahy izy
Tiako hatramin’ny aina izy
Nandalo ady maro izy
Mba hahatonga azy ho toy izao
Nandalo ny ratram-po
Sy ny alahelo teo amin’ny fiainana
Fa mbola mijoro hatrany izy
Ary vao mainka tiako izy
Tiako hatramin’ny aina izy