[Intro]
[Verse 1]
Tsy handany andro intsony aho hanao izay hitiavanao ahy
Tsy mety tapitra fa miovaova ny sitraponao
Na efa natao daholo aza izay rehetra tadiavinao
Tsy afa-po fa mahita tsikera foana ianao
[Chorus]
Amin’izay ianao malalaka tsara afaka mijerijery
Tsy ho sarisary fa toa mankarary
Raha tsy safidinao fa adidy no nandraisanao ahy
Aleoko ihany mitoetra irery
[Verse 2]
Androany aho tianao mba hitovy amin-dranona
Rahampitso indray aho asainao manao toa an’itsy
Farany leo ihany aho amin’ny filam-banina
Ary ny lanjako aminao mihitsy no tsy misy
[Chorus]
Amin’izay ianao malalaka tsara afaka mijerijery
Tsy ho sarisary fa toa mankarary
Raha tsy safidinao fa adidy no nandraisanao ahy
Aleoko ihany mitoetra irery
[Bridge]
Avelao ho eo an-dositra ny fifandraisana
Mba hahita ny tena tsy ho vahiny
Ny tena lanjako dia ny fahamendrehanao
Na dia lavitra aza ny lalan-kaleha
[Chorus]
Amin’izay ianao malalaka tsara afaka mijerijery
Tsy ho sarisary fa toa mankarary
Raha tsy safidinao fa adidy no nandraisanao ahy
Aleoko ihany mitoetra irery
[Outro]
Amin’izay ianao malalaka tsara afaka mijerijery